Nomen’ny birao politikan’ny MMM toromarika ireo ho kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ity antoko ity, ny herinandro teo, teny Ankerana. Samy nahatonga solontena avokoa ireo distrika mandrafitra ny faritra Analamanga. Voaresaka ny momba ny fikarakarana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina sy ny momba ireo dingana samihafa, aorian’izany.
Hihaona amin’ireo mpirotsaka hofidina ny ao amin’ny CED, distrika Andramasina, anio. Anisan’ny hifampizarana amin’izany ny toromarika sy ireo pitsompitsony samihafa amin’ny famenoana antontan-taratasy filatsahan-kofidina. Eo koa no hamahavahana ireo olana mety sedrain’ireo kandidà manoloana izany sy ny fampahatsiahivana ny lalàna.
Mitohy hatrany ny fanamafisana fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra, eny anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana momba ny fitantanana ny fitaovam-panjakana. Kaominina maro tao anatin’ny faritra Sava no nahazo izany. Zava-dehibe ho an’ny kaominina ny fanaovana ity fiofanana ity. Satria, ahafahana mahafatantra sy manana ireo lisitry ny fitaovana sy ny entana ampiasain’izy ireo indrindra ny fananany.