Anisan’ireo Malagasy mpanatontosa sarimihetsika i Felana Rajaonarivelo. Niantoka izany fisongadinany izany ny horonantsary fanadihadiana “Debout!”.
Handray anjara amin’ny “11 ème Emergence Film Festival” ao Lomé, Togo, tanterahina ny volana novambra izao, i Felana Rajaonarivelo, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika sy mpaka saripika. Amin’ny alalan’ilay horonantsary fanadihadiana notontosainy, nampitondrainy ny lohateny hoe “Debout!” no nahavoafantina azy. Hetsika lehibe miisa telo no efa nandraisan’ity mpanatontosa ity anjara, hatramin’ny niantombohan’ny taona 2024.
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Felana Rajaonarivelo sy ny horonantsariny fanadihadianana “Debout !”. Nialoha ny nahavoafantina azy tamin’ity fifaninanana ity. Efa nandray anjara tamin’ny “Fiff Cotonou Film Festival”, “Viavy Film Festival”, “ Cinef Film Festival” ity horonantsary fanadihadiana ity, nandritra ity taona ity. Nialoha izay anefa, efa nandray anjara tamin’ny hetsika eo anivon’ny horonantsary fanadihadiana teto an-toerana hatrany ivelany ny “Debout!”. Anisan’izany ny teny amin’ny Canal Olympia sy ny “Screening Canal Olympia”, ny taona 2022. Teo ihany koa ny “Haskin Institute Theater” sy ny “MWF Summit” ny taona 2023. Horonantsary fanadihadiana mampiseho ny tantarana vehivavy manana fahasembanana izy ity. Izy ireo izay vonona hiatrika sy hivoatra ao anatin’izany fahasembanana ananan’izy ireo izany.
Ao anatin’ny sokajy “Courts metrages Documentaires”, miaraka amina horonantsary fanadihadiana miisa valo no misy ny “Debout!” mandritra ity “11ème Emergence Film Festival” ity. Hetsika atao isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana novambra izy ity. Amin’ny ankapobeny, fanandratana ireo Afrikanina mpanatontosa no tena tanjony. Ankoatra ny fifaninanana mandritra ny hetsika, misy ihany koa ny “Emergence Filmslab”. Atrikasa hifampizarana fahaiza-manao, entina manatsara ny fahaiza-manaon’ireo Afrikanina mpanatontosa sy mpikirakira sarimihetsika. Tamin’ity andiany faha-11 ity. Naherin’ ny 200 ny mpanatontosa sy mpamokatra horonantsary nandefa ny sanganasany. Miisa 33 kosa ireo hiatrika ny dingan’ny famaranana atao ny 2 hatramin’ny 6 novambra 2024.
Lin