INDRAY MIJERY

Androy, Anosy, Menabe, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Andrefana. Ireo no Dren 6 nisitraka fampiofanana momba ny fizohiana sy fanaraha-maso ny tolotry ny fanabeazana fototra eny amin’ireo sekoly (Score). Tanjona ny hifehy ny fanaraha-maso eny ifotony amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana hisian’ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra.

Mbola mitoetra ao amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan’i Madagasikara ilay rindrin-drahona. Hitondra orana tandrifin-drahona ho an’ny afovoantany sy ny ilany afovoany andrefan’i Madagasikara izany. Amin’ny alarobia kosa, hisy ny tsiokan’ny Varatraza ka ho merika ny andro ho an’ny afovoantany ary hisy orana any Atsinanana. Hidina koa ny maripana ambony indrindra.

Nentina hanatsarana ny fomba fiasa sy hanitsiana ny lesoka ny fihaonana teo amin’ny tomponandraikitry ny fitantanana ny loharanon-karena eny anivon’ny Andrimpanjakana samihafa, ny faran’ny herinandro teo. Famerenan-kasina sy fanomezana tamberin’andraikitra sahaza ny besinimaro no nasongadina tamin’izany.

Partager sur: