Jirama : ahitana lohahevitra 4 ny drafi-panarenana

Nihaona ny zoma 30 aogositra teo, teny Ampan­drianomby, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, niaraka tamin’ny teknisiana miara-miasa aminy, andaniny, sy ny tomponandraikitry ny Jirama, notarihin’ny tale jeneraly (DG), Ron Weiss. Fivo­riana nampahafantarana ny paikady entina hanarenana ny orinasa Jirama. Miompana amin’ny lohahevitra lehibe efatra ny drafi-panarenana. Ny fanatsarana ny rafi-pitantanana, ny fanarenana ny ara-bola, ny ara-teknika ary ny fanavaozana ny tolotra ho an’ny mpanjifa. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa sy ny hampitomboana ny taha sy ny isan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara.
Momba ny lafiny famokarana herinaratra, anisan’ny hanatanterahina ireo drafi-panarenana ireo ny fanovana na ny fampihenana ny fampiasana solika gazoala ho solika menaka mavesatra «fuel», hampiodinana ireo milina manodina herinaratra. Eo koa ny fiampitana mankany amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina, toy ny fananganana toby mamokatra herinatra avy amin’ny masoandro, ohatra.
Na izany aza, tsy mipaka any amin’ny besinimaro ny fanavaozana, satria tsy mbola foana ny delestazy, noho ny tsy fahampian’ny herinaratra vokarina. Ao anatin’ny vanim-potoana maintany rahateo isika, ka tsy ampy ny tosiky ny rano manodina ny milina any amin’ireo tohodrano.

Njaka A.

Partager sur: