Lalana any Toamasina : vita ny 25% ny asa amin’ny « voie rapide »

Hampihena ny fitohanan’ny kamiao any Toamasina ny arabe « voie rapide » hatao any Toamasina mivoaka any amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Vinavinaina ho vita amin’ny mey 2026 ny asa.

Mirefy 9,6 km ny arabe
«voie rapide» hamboarina, miainga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ary mivoaka any amin’ny lalam-pirenena RN 2. Nitsidika ny fizotry ny asa ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Jean Théo­dore, ny sabotsy 31 aogositra teo. Nambarany fa hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizan’ireo fiarabe, mivezivezy sy mitatitra entana mivoaka avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny fahavitan’ity lalana vaovao ity. Arabe azon’ ny fiara efatra ifanenana, ka roa amin’ny andaniny ary toraka izany koa amin’ny ankilany. Miisa telo ny tetezana hamboarina, ka efa mandeha ny fandrotsahana ny «béton», ankehitriny. Hatrany amin’ny 25% ny fizotry ny asa, amin’izao fotoana izao, ataon’ny orinasa sinoa Sinohydro. Vina­vinaina ho vita tanteraka amin’ny volana mey 2026.
Nisy fotoana niato ny asa, noho ny fanajana ny lalàna amin’ny tontolo iainana. Teo koa ny lafiny sosialy, indrindra ny fanonerana ara-bola ireo olona manana trano amin’ny soritry ny lalana, ka efa mandeha tsikelikely ny fandoavam-bola izao.
Hatao béton
Ankoatra izany, notsidihin’ny minisitra MTP sy ny delegasiona niaraka taminy koa ny fizotry ny asa fanamboarana ny arabe «Boulevard Ralai­mongo». Miainga eo amin’ny Jovena Ambalamanasy hatrany amin’ny fiangonana St Paul Mangarivotra. Araka ny toromariky ny filoha Rajoelina Andry, hatao béton ity lalana Boulevard Ralaimongo ity, mba hampaharitra azy sady mahazaka ny toetr’andro ma­noran-dava any an-toerana.
Efa vita hatrany amin’ny 60% ny asa, izay famatsiam-bola madiodio an’ny fanjakana (RPI) amin’ny alalan’ny Tahi­rimbola ho an’ny lalana «Fonds routier».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: