« Sokajiana ho fahavalom-bahoaka ireny nitranga tany Anjozorobe ireny ary tena famonoan’olona… », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy, omaly, teny Ampahibe. Mitohy ny hazalambo na efa tratra aza i Rakom.
Nitondra fanazavana momba ilay raharaha fakana an-keriny namoizana ain’olona tao Marotsipoy, distrikan’Anjozorobe, ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana (Emmo/Nat), omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Nambarany fa nivory maika ireo minisitra miantsehatra amin’ny fitandroana ny filaminana ka nijery manokana ny fomba fandrindrana sy fametrahana fampandriam-pahalemana maharitra na an-drenivohitra izany na ambanivohitra. Tafiditra ao anatin’izany ny famongorana ireo mpaka an-keriny. «Manoloana ireo famoizana ain’olona nalain’ireo mpaka an-keriny tao Marotsipoy, tsy miraviravy tanana fa mandray ny andraikitra tanteraka ny mpitandro filaminana», hoy izy. Nolazain’ny MFA fa sokajiana ho fahavalom-bahoaka ireo mpaka an-keriny ary tena famonoan’olona ireny ka hataonay hazalambo. Efa tratra Rasolofonirina Théo na Ratex na Rakom, lehiben’ireo mpaka an-keriny sy ireo namany. Mandeha ny fikarohana ny fanadihadiana ireo olona tratra, araka ny filazany. «Manome baiko ireo mpisehatra ao amin’ny Harato 2 mba tsy hiraviravy tanana fa hampiasa ny hery sy ny fitaovana rehetra eo am-pelatanana», hoy hatrany ny MFA. Mangataka tolo-tanana amin’ireo tomponandraikitra rehetra eny ifotony na olom-boafidy koa ny MFA mba hifanome tanana hatrany amin’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ireo mpaka an-keriny.
Jean Claude