Nitohy omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, “XXL Top 12”, Federaly I. Manomboka miverina amin’ny heriny ny TFA Anatihazo, izay nandresy ny Tam Anosibe, tamin’ny isa 35 no ho 31. Fihaonana tena nandrasan’ny maro teny an-toerana ity. Raha hiverenana ny fifanandrinana teny an-toerana, ny ekipan’Anosibe no nitarika, 18 no ho 17, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Teo amin’ny fidirana faharoa, nanomboka taitra tamin’ ny torimasony ny mpilalaon’ Anatihazo, ka nahatondra baolina nentin-tanana sy nahatsara “pénalité” izy ireo. Niezaka nanenjika ny isa ihany ny Tam saingy maro ireo baolina votsotra, izay tokony ho lasa isa ho azy ireo.
Nahazo fandresena mora ny Cosfa
Ankoatra izay, nanao fampisehoana tanteraka ny mpilalaon’ny miaramila Cosfa, omaly. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra, 108 no ho 13, ny klioban’ny Mang’Art. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Cosfa, efa manana traikefa amin’ity fifanintsanana ity. Nahazo ny laharana faharoa izy ireo, nandritra ny “XXL Top 20”, izay natao tamin’ny taon-dasa, raha toa ka ny FTM Manjakaray no voalohany tamin’izany.
Fitia Randria
Ireo vokatra rehetra omaly
Cosfa (103) – (13) Mang’Art
Uasc (37) – (49) Uscar
Tam (31) – (35) Tfa