Sombim-baovao

Voahosotra ho tompondaka, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, taranja basikety, ny BCTT Atsimo Andrefana sy ny JEA Vakinankaratra. Fifaninanana natao tany Farafangana, nanomboka ny 24 aogositra lasa teo ary nifarana, omaly.

Mitohy hatrany ny fitsidiham-paritra ataon’ny Federasiona malagasin’ny Kung Fu. Ny tany amin’ny faritr’i Farafangana indray no nisitraka izany ny faran’ny herinandro teo izay nahazo fampianarana tamin’ny Grand Maître Avoko. Tsiahivina fa efa ela no tsy nijery ity faritra ity ny FMKF ka nahazo Hery indray ireo mpanao Kung Fu any an-toerana.

Nitsidika ireo fotodrafitrasa tany amin’ ny faritra Vakinankaratra, ny herinandro teo, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Abdulah Marson Moustapha. Nojereny nandritra ireo asa mbola mila vitaina maika, toy ny fanatsarana ny kianja mitafo sy ny dobo filomanosana misy any an-toerana.

Partager sur: