TARATRY ny KANTO

Namoaka fanambarana tao anaty tambajotran-tserasera ny orinasa mpamokatra horonantsary, Ny Avoko Production, omaly, fa tsy nodimandry i Babiche, mpilalao horonantsary ao amin’izy ireo. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo hatrany, manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ity vehivavy ity.
Nifarana omaly, tany Nosy Be, ny “ Nosy Be Symphonies” andiany faha-9. Teny amin’ny Mont Passot, toerana anisan’ny manana ny maha izy azy ao an-toerana no nanatontosana ny fampisehoana famaranana ity hetsika anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny mozika klasika ity.
Nisokatra nanomboka ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny La Teinturerie Ampasimalo, ny “Lovan-draza”. Varotra fampirantiana ny sanganasan’i HeryZo Ralaindimby ity hetsika ity. Haharitra iray volana ity fampirantiana ity ahafahana mihanoka ny sanganasan’ity mpanakanto ity.
Hiditra amin’ny andiany fahefatra ny “festival Jokoso”, amin’ity taona ity. Hetsika hamondronana ireo fianakaviamben’ny mpanao hatsikana malagasy. Fam­pisehoana, atrikasa, velakevitra, no handravaka ny hetsika ary anisan’ny hampiavaka ny amin’ity taona ity ny fisiana fampisehoana hakingan-tanana.

Partager sur: