TSELATRA

Miaramila zazavao naiditra am-ponja, afakomaly, noho ny famonoana teratany vahiny iray tao Toamasina. Nahazo fahafahana ny olona roa mpiambina tsy lavitry ny trano fandraisam-bahiny iray nitrangan’ny vono olona ny 19 aogositra lasa teo.
Miroso amin’ny fisamborana ireo voasaringotra amin’ny fakana an-keriny ao Anjozorobe ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Olona iray anisan’ny nokarohina efa tratra omaly. Tsy hilefitra amin’ireo nahavanon-doza namono takalonaina miisa dimy ny faran’ny herinandro teo izy ireo.
Nahitana fatin-jaza teny ambany tetezan’ Ampasika, ny faran’ny herinandro teo. Niniana nariana io zaza io, araka ny fahitan’ireo nanatri-maso. Tsy fantatra ny nahavanon-doza.
Fiara nitondra tanora mpivavaka avy ao Betania niharan-doza, afakomaly. Nikasa hamonjy fetin’ny taranaka tao Ambohimahavelona, distrikan’ i Toliara II izy ireo izao tra-doza izao. Tsy nisy aina nafoy.

Partager sur: