VAOVAO TAMBATRA

Notolorana fitaovana entina hiarovana ny ala sy hiatrehana ny afo, ny herinandro lasa teo, ny Vondrona olona fotony (VOI) any amin’ny kaominina Manakambahiny Atsinanana, distrika Ambaton­drazaka. Tohana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena, Conservation International (CI), mitantana ny Tandavanala Ankeniheny-Zahamena (Caz). Manohana ny hetsika ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra Alaotra Mangoro (Dredd).

Miisa 6 500 ny karatany nozaraina tany
amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Vatovavy, ny herinandro lasa teo. Nihoatra tamin’ny tanjona napetraka tany am-boalohany io, satria 5 000 no tokony hotratrarina. Tafiditra ao anatin’ny hetsika «Karatany faobe», notanterahin’ny fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Anisan’ny nisitraka izany ny mpamokatra kafe, vary, mangahazo, katsaka, tantely, sns.

Tsy mihetsika manodidina ny 5 000 Ar ny sandan’ny Ariary, mihoatra amin’ny 1 euro. Araka ny tsenam-bola ny zoma 30 aogositra teo, misanda
4 973,30 Ar ny 1 euro, ary 4 542,19 Ar ny 1 dolara. Tsy maintsy mandray fepetra ny Banky foiben’i Mada­gasikara (BFM), amin’ny fampifadanjana ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny vola vahiny. Eo amin’ny tsenam-bola ho an’ny mpanjifa anefa, mihoatra ny
5 000 Ar ny hividian’ny mpanjifa azy.

Partager sur: