Tokantrano 2 371 ao amin’ny distrikan’i Mananjary sy tokantrano 1 241 ao amin’ny distrikan’i Farafangana no nisitraka tohana tamin’ny alalan’ny tetikasa Vatsin’Ankohonana ny faran’ny herinandro teo.
Nizara mivantana izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fampiasana izany vatsy izany ny fampianarana ny ankizy sy ny fampidirana an-dakilasy azy ireo, hoy ny minisitra.
Ankoatra izany ny fanentanana ny hisian’ny fiovam-piainana miabo sy fananana toe-tsaina mivoatra. Manomboka izao dia tokony ho tarigetran’ny mpisitraka ny vatsin’ Ankohonana ny fahatsaram-piainana isan’andro isan’andro.
Tetsy andaniny, namangy ireo mponina traboina tao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ihany koa ny minisitra. 62 ireo tokantrano tsy manan-kialofana vokatry ny haintrano tao amin’ny fokontany Morafeno. Nitondra kojakoja hahafahana miarina haingana izy ireo, toy ny vary, menaka, lamba fitafy…
Tsy hadino ireo olona manana toe-tena varira tao an-toerana miisa 57, izay nahazo fanampiana ihany koa. Nampaherezina amin’ny fianarana sy hanana fahadiovana ireo sokajin’olona varira ireo. Ankoatra izany ireo zokiolona sy fikambanam-behivavy izay nahazo tohana hahafahan’izy ireo mitombo hatrany amin’ny asa fivelomany.
Tatiana