Volley-U20 : nahazo ny amboara ny MVBC sy ny Asi

Tontosa tany Antsirabe, nanomboka ny 25 aogositra lasa teo hatramin’ny omaly, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy U20, taranja Volley-ball. Voahosotra ho tompondaka, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny ekipan’ny MVBC Boeny ary teo amin’ny sokajy lehilahy ny GNVB, nandritra ity fifaninanana natao tany Antsirabe ity.

Teo amin’ny sokajy vehivavy, nifanandrina teo amin’ny lalao famaranana, omaly, ny GNVB sy ny MVBC, ka nivoaka ho mpandresy ity farany, tamin’ny seta 3 no ho 2 (22/25, 25/23, 22/25,25/10,15/11). Sahala 2 no ho 2 ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ka niroso tamin’ny tie break, nahafahana namaritra izay ho mpandresy. Teo amin’izay sokajy vehivavy izay hatrany, nibata ny laharana fahatelo ny ASI rehefa nandavo ny Stef’Auto tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/21, 25/20, 25/21).

Ho an’ny sokajy lehilahy kosa, nahazo ny amboaran’i Madagasikara sokajy latsaky ny 20 taona, ny ekipan’ny ASI rehefa nandresy ny ekipan’ny GNVB. Seta 3 no ho 0 no nisarahan’ny roa tonta. Laharana fahatelo kosa ny ekipan’ny MVBC Matsiatra Ambony rehefa nanilika ny CVBF Atsimo Atsinanana, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/20,25/17,25/19). Afa-po tamin’ny fifaninanana ny Federasiona malagasin’ny Volley-ball ary hiatrika indray ny fifaninanana manaraka, amin’ny sokajy hafa.

Mi.Raz

VOKATRA U20

Vehivavy
Famaranana :
MVBC vs GNVB : 22/25, 25/23, 22/25,25/10,15/11
Laharana fahatelo :
Asi vs Stef Auto 25/21, 25/20, 25/21
Lehilahy
Famaranana :
GNVB vs ASI 0-3
Laharana fahatelo :
MVBC Haute Mahatsiatra vs CVBF Atsimo Atsinanana 25/20,25/17,25/19

Partager sur: