Notanterahina teny amin’ny tobin’ny 1er Bataillon Parachutiste Ivato, ny 30 aogositra 2024 teo, ny fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo miaramila 30 mirahalahy ao amin’ity vondron-tafika ity. Nahavita fanazarantena sy ny taktika ary ny fototra maha miaramila, niarahana tamin’ny Tafika amerikanina, izy ireo nandritra ny enina herinandro. Nanatrika ity fotoana ity ny mazaoro jeneralin’ny Tafika, ny Amiraly GA Jacquy Honoré, nisolo tena ny jeneraly lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika. Nankasitraka manokana ireo mpampiofana sy ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara ity manamboninahitra ity amin’ny nahafahan’ireo miaramila malagasy nisitraka izao fanazarantena izao. « Maniry ny hiroboroboan’ny fiaraha-miasa hatrany eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, indrindra eo amin’ny lafiny ara-tafika », hoy izy. Nanotrona izao lanonana ara-miaramila izao koa ny masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara, Claire Pierangelo, ary ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika sy ny Tafika an-tanety. Nanome voninahitra ny lanonana koa ny ben’ny Tanànan’Ivato, Penjy Andrianarisoa.
J.C