2016-2020 : navadiky ny ben’ny Tanàna ho tombontsoany ny Easy Park

Nahatratra 235 tapitrisa Ar ny vola nahodin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo mivady, ny taona 2016 hatramin’ny 2020. Nalaina mivantana na taratasim-bola fotsy no nakana izany avy tao amin’ny Easy park .

Ampahany betsaka amin’ny vola teo anivon’ny Easy Park tokony ho nalefa tany amin’ny tahirim-bolam-panjakana no nalain’izy ireo ho amin’ny tombontsoany. Mpanolotsaina manokan’ny ben’ny Tanàna tamin’izany, Ravalomanana Lalao rahateo ny vadiny, Ravalomanana Marc. Mitentina hatrany amin’ny 235 tapitrisa Ar izany vola izany, teo anelanelan’ny taona 2016 hatramin’ny 2020. Tsy nanaraka ireo dingana ara-panjakana fa na nalaina bolongam-bola na tamin’ny alalan’ny taratasim-bola tsy mazava izany. Nataon’ny vadin’ny filoha teo aloha fitaovana ho an’ny tombontsoany manokana ny fitantanany ny CUA tao anatin’izany efa-taona izany. Fantatra tamin’ny alalan’ny fitsirihana natao teo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana izany tamin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ ny Tanàna, Ravalomanana Lalao. Anisan’izany, ohatra, ny momba ny vola natokana ho an’ireo traboina tetsy Ankasina, ny taona 2016. Ny vola nividianana ny fanamian’ireo mpamory hetra “Per­cep­teurs” eo anivon’ny CUA. Teo koa ny vola nivahinianana tany Johannesburg sy i Frantsa, ny taona 2016, ary ny tany Londres, ny taona 2018. Ny vola nivoahan’ny mpanolotsaina manokana, Ravalo­manana Marc, tsy nahazoana tatitra mazava momba ny fivorian’ny AVCOI, ny taona 2016. Ny vola tamin’ny “Cocktail” namaranana ny fivorian’ny filankevitry ny CUA… Samy tsy nandalo ny dingana ara-panjakana momba ny famoaham-bola avokoa izany rehetra izany.

Mbola mikendry ny hitantana ny CUA

Tsy vitan’izany fa teo koa ny fivahinianana manokana tamin’ny volan’ny Easy park niatrehina ny “Festival de film documentaire”, natao tany Copenhague, ny taona 2017. Mitentina 53 845 600 tapitrisa Ar izany. Fanasana manokana ho an’ny filoha teo aloha, Ravalomanana, anefa izany fa tsy amin’ny anaran’ny CUA. Samy tsy misy ifandraisany amin’ny kaominina sy ny mponin’Antananarivo izany rehetra izany nefa nalaina tamin’ny volan’ny Easy park.
Midika ireo fa lavitry ny fijerena ny tombontsoan’ny CUA sy ny mponin’Antana­narivo izany rehetra izany nefa izao mbola hikendry ny hitantana ny Renivohitra izao indray izy.

Randria

Partager sur: