Ady amin’ny fakana an-keriny: miantso ny vahoaka ny mpitandro filaminana

Mihetsika avy hatrany taorian’ny toromariky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny mpitandro filaminana hamongotra ny fakana olona an-keriny. Efa nahitam-bokany izany nandritra ny faran’ny herinandro…

Mitohy ny ady amin’ny fakana an-keriny! No­marihin’ny Filoha Rajo­elina fa matoky ny mpitandro filaminana izy amin’ny fanenjehana sy famongorana ireo jiolahy mpaka an-keriny izay mampihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Anjo­zo­robe. Hamafisina, araka izany, ny hetsika manokana efa natomboka ny volana novambra 2023. Nisy ireo jiolahy tratra ka anisan’izany Rasolo­fo­nirina Théo (Ratex) na Rakom, voalaza fa jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny sady mpaka vola aman’olona. Saron’ny mpitandro filaminana tao amin’ny kaominina Bero­nono, distrikan’Anjozorobe, izy, ny faran’ny herinandro teo. Fantatra fa anisan’ireo nitifitra sy nahafaty ireo dimy lahy nalaina an-keriny Rakom. Tsy nanana ilay 200 tapitrisa Ar notakian’ireo mpaka an-keriny ny fianakaviana ka niafara tamin’ny famonoana azy dimy lahy izany. Mbola hifampitadiavana kosa i Lepapa, mpiray tsikombakomba amin-dRakom sady mpamono olona ihany koa. Tena manao sorona ny ainy tokoa ireo mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy.

Mila ahetsika ny helikoptera…

Mila fitaovana kosa anefa izany amin’ny alalan’ny fane­tsehana ny helikoptera miampy drône raha ilaina satria fahavalom-pirenena ireo malaso ireo, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Monja Lala Delphin. Mila jerena akaiky koa ny fankaherezana ireo mpitandro filaminana miantsehatra eny an-kianja manenjika ireo dahalo. Misy amin’izy ireo efa amam-bolana tsy soloina eny fa na hatramin’ny sakafo aza dia mianto-tena nefa mivarotra aina ho an’ny tanindrazana, araka ny fampitam-baovao marim-pototra. Na izany aza, azo tsapain-tanana tanteraka ny ezaka sy ny fandraisana andraikitra ataon’ireo mpitandro filaminana eny an-kianja. Saingy, mila fanoha­nana mafy izy ireo raha te hamongotra ifotony ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny ao Anjozorobe. « Manao antso avo amin’ny vahoaka sy mangataka tolo-tanana ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ireo mpaka an-keriny », hoy hatrany ny MFA.

Jean Claude

Partager sur: