Baolina kitra – D2 : tafita any amin’ny “Poule des As” ny FCA

Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ireo ekipa tafita amin’ny dingana farany “Poule des As”, diviziona faharoa (D2) nasionaly. Klioba efatra no hiatrika izany. Anisan’izany ny FC Theo Sava, AS Fos Analanjirofo, ny FC Avenir du Sud Anosy ary ny FCA Ihorombe.
Tsiahivina fa teo amin’ny andro farany, nisy fitoviana isa teo amin’ ny AS Ste Anne Analamanga sy ny FCA, izay samy manana isa 10. Araka ny lalàna mifehy ny fifanintsanana nefa, mihintsana ny mpilalaon’Analamanga, resin’ny FCA izy ireo rehefa jerena ny fifanandrinana mivantana. Ny ekipa avy atsy Ihorombe izay nandresy ny AS Ste Anne, 4 no ho 1, nandritra ny andro voalohan’ity D2 nasionaly ity.
Raha tsy misy ny fiovana farany, hotontosaina any Mahajanga, ny dingana farany. Ny 11,13,15 septambra ho avy izao ny lalao mandroso ary ny 25, 27, 29 ny fihaonana miverina. Tsara marihina fa izay roa tsara isa indrindra amin’izany no miakatra ao amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League.”

Fitia Randria

Partager sur: