Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, nigadona omaly, any Tunisie, namonjy ny fampivondronan’ny Barea de Madagascar i Loic Lapoussin sy i Tsiry ary i Berajo. Efa niatrika ny fanazarantena niaraka tamin’ireo namany i Lapoussin. Tsy mbola nanao izany kosa ry Berajo sy i Tsiry, noho ny fahatongavan’izy mirahalahy tamin’ny 10 ora alina. Nilaza ihany koa ity loharanom-baovao iray ity fa hivoaka anio ny lisitra ofisialin’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, hiatrika ity fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025” ity. Raha tsiahivina dia i Tunisie, mpampiantrano no hifandona amin’ny ekipa malagasy ny alakamisy ho avy izao. Hatao ny 9 septambra kosa, any Tunisie ihany, ny fifanandrinan’i Comores sy i Madagasikara.
Ankoatra izay, nilaza ny avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra fa tsy mbola misy filazana ofisialy ny hahafahan’ny Televiziona malagasy (TVM) mandefa mivantana ny sary any Madagasikara, saingy hiezaka izy ireo ny hifampiresaka amin’ny tompon’ny sary mba hahafahan’ny Malagasy rehetra manohana ny ekipa Barea.
Fitia Randria