Tsara ny vokatra ho an’ny COSTM Judo Club nandritra ny fifaninanana “Tournoi de Capricorne” natao tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly 17 be izao (volamena 7, volafotsy 8 ary alimo 2) ny mpikatroka nisolontena ity klioba sangany ao Toliara ity. Raha ny filaharana kosa, laharana faharoa no misy ny COSTM, satria nahazo ny laharana voalohany ihany koa izy ireo, teo amin’ny fifaninanana ho an’ny ekipa. “Henjana ihany ny fanomanana satria maro ny zavatra nalamina, teo ny fanazarantena sy ny fanaraha-maso ny fahasalamana sy ny lanjan’ny ankizy tsirairay, fa nandeha tsara tamin’ny tokony ho izy izany”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny klioba, Rafanomezana Harilala. Nahafa-po kosa ny vokatra ary mila ampiakarina indray amin’ny fifaninanana manaraka. Tanjona ny hitazomana ny anaram-boninahitra efa azo sy ny hampitomboina izany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny klioba hatrany. Tsiahivina, mpikatroka 31 mianadahy no niatrika ity andiany faha-28 “Tournoi de Capricorne”, ity ho an’ny COSTM Judo Club. Nanana solontena tamin’ny sokajy rehetra (Poussins, Minimes, Cadets, Juniors, Seniors) izy ireo.
Mi.Raz