Handalo an-tanindrazana: manomana seho goavana indray i Lalatiana

Rehefa afaka, mandalo an-tanindrazana i Lalatiana. Nandray anjara tamin’ny
« Nosy Boraha Jazz Festival » tany Sainte Marie izy tamin’ny taon-dasa. « Cabarets » in­droa tao amin’ny Piment Cafe kosa no azony natolotra teto Antananarivo tamin’io fandalovany io. Efa tamin’ny taona 2022 anefa ilay seho goavana, « Nofinofy mamy » niarahany tamin’ i Rija Ramanantoanina, Ary tamin’ny taona 2019 kosa ny seho nataon’ity mpanakanto ity manokana, tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina. Nampanantena izy ta­min’ny fandalovany farany fa tsy ho ela ilay seho lehibe… Ho tanteraka izany ny alahady 20 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Ma­hamasina hatrany. Horaisin’ny Miritsoka Production hatrany ny fikarakarana, toy izay efa nisy nanomboka ny taona 2012. « Manatsara hatrany isika, mba ho mendrika ny mpanakanto sy ireo mpankafy azy ny seho homanina », hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ity trano mpamokatra fampisehoana ity.
Nohamafisin’izy ireo koa fa ho avy hiaraka amin’i Lala­tiana i Rija Randrianavonisoa, izay mpitendry gitara mana­raka azy an-tsehatra nandritra ny taona maro any ivelany any.. Izy mianadahy rahateo no niara-nanatontosa ilay rakikira « Dobla sento », namelona indray ireo hiran’ny omaly sy kalon’ny fahiny. Anisan’ny halahatra mandritra ny seho ny ampahany amin’ireo hira voarakitra, ankoatra ireo efa nahafantarana an’i Lalatiana hatramin’izay, sy izay mety ho hira vaovao.

Zo ny Aina

Partager sur: