LTP Alarobia: misokatra ny fampiofanana ho teknisianina photovoltaïque

Hisokatra eny amin’ny Ly­cée teknika Alarobia (LTP), amin’ny taom-pianarana 2024-2025, ny fiofanana ho teknisianina amin’ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (photovoltaïque). Hianatra mandritra ny valo volana, izay hanomboka ny volana oktobra izao, ireo mpianatra ka atao any amin’ny toeram-pianarana ny 40% ny fiofanana, raha atao eny anivon’ny orinasa mpiara-miombon’antoka kosa ny 60% amin’izany. Hiandraikitra ny fampiofanana, ny fampitaovana ary ny tohana ara-teknika ny fiaraha-miasa alemana (Giz). Nam­pahafantarina nandritra ny varavarana misokatra ny sabotsy teo, teny amin’ny LTP ity sampam-piofanana vaovao ity. Misokatra, araka izany, ny fisoratana anarana ho an’ireo tanora liana amin’izany. « Hiasa avy hatrany eny amin’ireo orinasa mpiara-miombon’antoka ireo mpianatra aorian’ny fiofanana arahiny saingy miankina amin’ny filan’ny orinasa izany», hoy ny tale lefitry ny Lycée, Ramananjanahary Holiarisoa. « Tanjona ny ha­nam­py ny tanora hiditra eo amin’ny tsenan’ny asa. Ilaina ihany koa ny mitrandraka angovo azo havaozina ahafahana miatrika ny fiainana andavanandro manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ary hitondra vokatra sy vahaolana amin’ny olan’ny angovo eto Madagasikara », hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline.

Henintsoa H.

Partager sur: