Otra mipetraka: hanatsarana ny fikorianan’ny ra ao anatin’ny vatan’ny olombelona

Mahaliana ny an­kamaroan’ny Ma­la­­gasy ny otra, mba hitsaboana ny aretina samihafa eo amin’ ny vatana. Ma­no­di­dina ny adiny roa eo ny fotoana la­ny amin’ny fa­nao­vana izany, amin’ny ankapobeny. Teknika vao­vao manampy sy manatsara ny fikorianan’ny ra ny otra mipetraka.

Tamin’ny fotoanan’ny vala­naretina, tsy dia nandaitra tamin’ny vatan’ny olombelona ny otra nampiasana menaka isan-karazany. Nanao teknika fanorana vaovao antsoina hoe: otra mipetraka na « massage am­ma assi » ny tany amin’ny firenena asiatika. Tanjona ny ahitana vokatra haingana sy eo no ho eo amin’ny vatan’ny olombelona iray manao azy. Tsy tena fitsaboana izy io fa natao hikarakarana ny vatana amin’ny ankapobeny. “Tafi­ditra ao anatin’ny fitsaboana ihany anefa izy io amin’ny lafiny iray satria mihatsara foana ny lalandra ao anatin’ny vatan’ny olona iray mandritra ny fanaovana azy io”, hoy Dr Raherinambinina Tsiresy Laza. Nambarany fa rehefa malalaka sy mihatsara izany dia mitempo tsara ny fo, manosika tsara ny arthère ary resy ho azy ny aretina. Fanafody mahomby hiadiana amin’ny harerahana ny otra mipetraka. Manampy amin’ny famoahana ny fihenjanan’ny hozatra izany ary mampihena ny harerahana ara-batana ihany koa. Ankoatra izay, manatsara ny fikorianan’ny ra ao anatin’ny vatana. “Manen­tana sy manatsara ny fikorianan’ny ra mankany amin’ireo faritra hafa izy io mba hivezivezy tsara kokoa amin’ny hozatra sy ny sela”, hoy hatrany izy.
“Amin’ny ankapobeny, natao ho an’ny olona be asa sy rera-dava ity otra vaovao ity. Tsy voatery marary na reraka be vao hanao azy fa azo atao indray mandeha na indroa isam-bolana izany”, hoy hatrany izy. Mahatsapa maivana tanteraka ny vatana rehefa avy manao azy. Voakitika tsara avokoa ny teboka rehetra amin’ny vatana, toy ny loha, ny valahana, ny lamosina, ny tanana… Azo atao mafy na mora ny otra arakaraka ny hitiavan’ny olona azy. Azo hapoaka kely ihany koa ny taolana any amin’ny lamosina sy any amin’ny tenda any.

Manamaivana ny vatana
25% ny fandaniana ataon’ ny olona dia mifandray amin’ ny olana ara-pahasalamana, raha ny fanadihadiana nataon’ny Chapman Institute. Anisan’ny mampihena izany ity teknika vaovao ity, raha ny fanazavana voaray hatrany. Amin’ny ankapobeny, manodidina ny 15 hatramin’ny 30 minitra eo ny fotoana lany mandritra ny fanaovana azy ity. Ankoatra izay, maro ny tombontsoa azo avy amin’ny otra mipetraka. Voalohany, manamaivana tanteraka ny vatana sy ara-tsaina izy io. Mampifantoka ny saina amin’ ny fanohizana ny asa aman-draharaha ihany koa izy. Manala ny adin-tsaina, ny havizanana, ny fihenjanana ary ny fanaintainan’ny hozatra ihany koa.

Miaro amin’ny aretin’ny hozatra
88% amin’ny aretina mahazo ny mpiasa eny anivon’ny orinasa dia ny fihenjanan’ny hozatra avokoa, raha ny fanadihadiana nataon’ny Chap­man Institute, tamin’ny taona 2019, ihany. Antony mahatonga izany ny tsy fiovaovan’ny fihetsika maharitra ataon’ny mpiasa ao amin’ny orinasa. Miseho amin’ny alalan’ny fanaintainana eo amin’ny vatana izany. Manampy betsaka amin’izany aretina izany ity otra iray ity. Ankoatra izay, miasa manoloana ny solosaina avokoa ny ankamaroan’ny mpiasa rehetra amin’izao fotoana izao. Mandrava ny olana sy ny aretina aterak’izany ihany koa izy io.

????????????????????????????????????

Mila fiofanana sy fahaizana ny fanorana

Mifangaro amin’ny tolotra hafa ny ankamaroan’ny tontolon’ny fanorana misy eto Madagasikara, raha ny zava-misy. Natao hanomezana fahafaham-po sy hisarihan’ny vehivavy mafatifaty ireo lehilahy maro samihafa ny fanorana eto Antananarivo. Na dia izany aza, misy ireo mpanotra tena manao ny asany araka ny tokony ho izy. Tanjona ny hahafahana mitsabo ny vatana amin’ny alalan’ny otra. Mitaky fiofanana manokana ny asa misehatra eo amin’ny tontolon’ny otra matihanina. Antony iray nanosika ny Dr Raherinambinina Tsiresy Laza, nianatra manokana ny mahakasika izany tany Asie. Nentiny teto Madagasikara io teknika vaovao io taorian’ny fiofanana nataony noho ny fahatsapany fa tena ilain’ny vahoaka malagasy ny fanaovana izany. Zava-baovao eto Madagasikara ny otra mipetraka. Nanomboka tamin’ny volana febroary, tamin’ity taona ity, no nisian’izy io teto amin’ny Nosy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Rotorotoro be ny fotoana hiainan’ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao. Azon’ny olon-drehetra atao ity teknika vaovao ity.

Natao ho an’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa
Efa nisy tany amin’ny firenena aziatika, indrindra tany Japon, manodidina ny 5 000 taona, ity teknika iray ity. Endrika fitsaboana nentim-paharazana amin’ny alalan’ny otra sy fikitihana teboka maro amin’ny vatany izy io. Hifantohana manokana amin’ny fanaovana azy ny faritra tena iharan’ny adin-tsaina sy fihenjanana. Toy ny lamosina, ny soroka, ny tenda, ny sandry ary ny loha. Nivoatra ity otra ity tao anatin’ny taona maro ary natao hifanaraka amin’ny filan’izao fotoana izao. Natao ho an’ny olona miasa eny anivon’ny orinasa ny tena antony iray namoronana azy. Mba hanalana ny fahasahiranana mahazo azy ireo amin’ny fiainana andavanandro.

Nanatontosa : Mino
Sary : Fanou

Partager sur: