Padel – « Island Cup 2024 » : hifandona amin’i Madagasikara voalohany i Maurice

Ho tonga eto Madagasikara, anio, ny delegasionan’ireo firenena roa, La Réunion sy i Maurice, izay mandray anjara amin’ny fifanintsanana “Island Padel Cup”. Ry zareo maorisianina sy ny Malagasy no hanokatra ny fifaninanana.

Hotanterahina manomboka rahampitso ka haharitra hatramin’ny 7 septambra, eny Soavina Atm­os­phère, ny andiany voalohany amin’ny fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”. Hifandona amin’ i Madaga­sikara eo amin’ny andro voalohany ny nosy Maurice. Tsia­hivina fa firenena telo no hifanintsana amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Ankoatra an’i Madagasikara, mpampiantrano sy i Maurice, mandray anjara ihany koa La Réunion. Araka ny fanazavana voaray, hifanandrina eo amin’ny andro faharoa, La Réunion sy i Maurice ary any amin’ny fahatelo i Mada­gasikara sy La Réunion. Tsia­hivina fa izay roa tsara isa in­drindra no hanao famaranana.

Tsara ny mampahatsiahy fa miisa 14 ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ka ny fito lehilahy ary fito tahaka izay koa ny vehivavy. Efa manana traikefa amin’ity Padel ity ny Mala­gasy. Nahazo ny tompondakan’i Afrika izy ireo, tamin’ity taom-pilalaovana ity. Tsara laharana amin’ny Orange MPPTour ireo atleta mandrafitra ny ekipa nasionaly. Nam­baran’i Gary Ah-Waye, iray amin’ireo mpikarakara ny hetsika, fa ity no fifanintsanana Padel lehibe indrindra teto Madagasikara. “Vonona tanteraka ireo Malagasy hiaro ny voninahi-pirenena”, hoy ihany izy.
Ankoatra izay, manomboka anio koa ny fifanintsanana “Open”, hatao eny Soavina ihany.

Fitia Randria

Lisitry ny Malagasy mpilalao

Lehilahy : Marin Fontaine, Rabezafy Landry, Rajaonson Stéphane, Haëner Corentin, Miary Zo, Ramananjatovo Jacky, Nante Radilofe.
Mpanazatra : Eugenio
Vehivavy : Robinson Fitia, Robinson Miarana, Rakotondramboa Fitia, Rakotovao Rianja, Ravoniandro Fitia, Radilofe Sariaka, Razafimamonjy Prisca.
Mpanazatra : Harivony

Partager sur: