Tafajoro ny Malagasy manohana ny Filoha Andry nirina Rajoelina, izay tarihin’i Jean Nirina Rafanomezantsoa, najoro ny vovonana natao hanampy ny Filoha eo sehatra rehetra ary hanampy ihany koa amin’ny sehatry ny asa sosialy sy ny maha olona ho fanampiana ny vahoaka madinika.
«Maro ny sakana mahazo ny filoha amin’ny fanohanany ireo vahoaka madinika. Mila tohana sy fankaherezana izy ka tonga izao ny fotoana tena tokony hanohanantsika azy », hoy ny fanazavan’ny mpitarika ny Vovonana Malagasy manohana ny filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety. Nambarany fa mitodika any amin’ny vahoaka madinika rahateo ny filoham-pirenena satria tafiditra ao anatin’ ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fiahiana ny sosialim-bahoaka. Ao anatin’izany ny famoronana asa, ny fananana trano fonenana, ny fiahiana ny fahasalamana ary ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. «Andao hotohanantsika izay ezaka ataon’ny filoham-pirenena izay», hoy hatrany izy. Nanipy resaka momba ny hoavin’ny firenena koa ireo mpanohana ny filoham-pirenena ireo amin’io fifidianana ben’ny Tanàna ho avy io. Mila mifidy sy mahay mametraka isika satria miankina amin’ny tsirairay ny hoavin’ny tanàna, araka ny nambarany. Manoloana izany, mitsangana ho arofanina ny fikambananay. Tokony homena tanana hatrany ny filoham-pirenena. Samy tomponandraikitra tamin’ny fametrahana azy isika, araka ny fanazavany. Tsy misy afa-tsy ny fijerena ny sosialim-bahoaka ihany raha te hanavotra haingana ny firenena. Omeo lanja io sosialim-bahoaka io fa izay ihany no vahaolana hiadiana amin’ny fahantrana, hoy izy teo am-pamaranana.
Jean Claude