Sendikan’ny indostria eto Madagasikara : mitondra fanavaozana anatin’ ny tranokalany

Manakaiky ny orinasa sy ireo mpisehatra samihafa ny Sendikan’ny indostria eto Ma­dagasikara (Sim) ka nitondra fanavaozana ao anatin’ny tranokalany. Tanjona apetraky ny Sim ny hampiroborobo ny toekarena amin’ny alalan’ny in­dostria. « Dingana goavana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria ny fanavaozana ny tranokalan’ny Sim. Hampahafantatra bebe kokoa momba ireo mpikambana sy ny vokatra ataony ary ho fampiroboroboana ny vokatra malagasy izany fa indrindra hanasongadina ny Label Malagasy ny Antsika sy ny kalitaon’ny vi­ta malagasy ». Ankilany, ha­nam­­­­­­­­­­­­py ny tanora sy ireo orinasa amin’ny fanomezana tolotrasa sy mizara asa isan-tsokajiny ny tranokala www.simmadagascar.mg, amin’alalan’ny Pôle Stage. Maimaimpoana, hoy ny Sim ny mamoaka tolotra ao anatiny ka afaka manao izany avokoa ny rehetra na ireo minisitera sy andrim-panjakana miara-miasa amin’ny Sim na ny sehatra tsy miankina.

Henintsoa H.

Partager sur: