Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U16, taranja basikety, natao tany Antsirabe, ny MB2All sy ny JCBA. Nandresy ny Phoenix, tamin’ny isa 64 no ho 29, ny MB2All, teo amin’ny sokajy vehivavy. Isa 68 no ho 45 kosa no nandavoan’ny JCBA ny ACMBA, teo amin’ny lehilahy.
Hatao ny 5 hatramin’ny 8 septambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Acmil Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja karaté. Fifaninanana hifantenana izay hisolontena an’ity faritra ity, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, hatao ny faran’ny volana oktobra izao.
Nifarana afakomaly, teny amin’ny Palais des sports Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping-pong”, lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka tamin’izany i Océane Rakotondrazaka, vehivavy mpilalao izay efa tompondaka tamin’ny taona lasa, ary i Lino ny an’ny lehilahy.
Nahatafiditra baolina roa, afakomaly, tao amin’ny Kianja Santiago Bernabeu, i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra ao amin’ny Real Madrid, Espagne. Lavon’izy ireo 2 no ho 0 ny Real Betis, Espagne. Manomboka misongadina tanteraka ity mpilalao ity ao Espagne ao.