Nitrangana loza an-dranomasina tao Amparihy, Taolagnaro, omaly vao maraimbe. Teo anelanelan’ny misasakalina sy tamin’ny 1 ora maraina no naharendrika ny Sambo MS Iharana. Nanainga avy any Toamasina ity sambo ity miaraka amin’ireo ekipazy 12 tao anatiny. Tratran’ny olana ara-teknika tampoka anefa ilay sambo. Teo am-pidirana ny seranana hiantsonana no nitranga ny olana satria tsy afaka navily
intsony ny sambo ka natsipitsipin’ny onjan-dranomasina
fotsiny sisa. Fantatra, araka ny tatitra voaray avy amin’ny zandary, fa mbola misy olona 26 miaraka amin’ireo ekipazy tafahitsoka ao anatin’io sambo io. Niditra an-tsehatra nanao asam-pamonjena ny Tafika an-dranomasina, miaraka amin’ ny Corps de protéction civile (CPC). Andrasana, araka izany, ny fivoaran’ity raharaha ity.
J.C