TARATRY ny KANTO

Miditra amin’ny andiany fahatelo ny “Nofy maitso, Festival de Slam poèsie et écologie”, karakarain’ny Alliance Française de Madagascar, miaraka amin’ny Madagaslam. Efa mandeha ny fifantenana isam-paritra amin’izao. Roa isaky ny faritany no hiatrika ny dingan’ny famaranana atao any Toamasina, ny 30 septambra 2024 hatramin’ny 6 oktobra 2024.

Hiaka-tsehatra mandritra ny “Jokoso Festival du rire”, andiany fahefatra i Gothlieb, Dadavy, Barhone, mia­raka amin’ireo mpanao hatsikana vao misandratra. An­koatra ny fampisehoana, hisy ihany koa ny velakevitra sy atrikasa hotontosain’izy ireo. Tanjon’ny hetsika ny hamondrona ho iray ny Malagasy mpanao hatsikana.

Ny omaly tsy niova ihany! Tsy mety mandray anatra ny tontolon’ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Rehefa tsy mety, dia tsy mety. Rehefa fady, dia fady. Tsy mbola tafapetraka io, noho ny antony fisalasalana, tahotra, sns. Ny fanatanterahana fomba malagasy, tsarain’ny sasany ho « asan’ny devoly ». Ny fanatanterahana ny fomba vahiny, ambarany fa « fiderana an’Andriamanitra » !

« Diavolana », etsy amin’ny IFM Analakely. Sora­dihy iray entin’ny Jarim’s Company izy ity, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro. Maneho ny kilalao fanaon’ny ankizy fahiny rehefa diavolana, izay nentina nitarafana ny fifandraisana eo amin’ny mpiara-monina. Efa naseho tamin’ny taona 2022 sy 2023 izy ity, tafiditra anatin’ny hetsika “Temps fort danse”.

Partager sur: