Tsy efan’ny irery!

 

Mitohy ary hohamafisina ny ezaka fampandriana fahalemana sy ny ady amin’ny fakana an-keriny. Nilomay nidina ifotony ny “henjana” eto amin’ny tanàna. Nirarakompana ny fanambarana ho fanamafisana ny fandraisana andraikitra.
Tsy ampy izany manoloana ny hodidina sy ny zava-misy any ambanivohitra any. Mila olona sy fitaovana ny mpampandry tany. Mila paikadin-tserasera miainga avy any ifotony. Taotrano tsy efan’ny irery ny famongorana an’io. Tsy mijanona ho anjara asan’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana fotsiny. Manana anjara goavana ny minisiteran’ny Fitantanam-bola, ny minisiteran’ny Mponina, ny minisiteran’ny Serasera, sns..
Mifanindran-dalana amin’izay, tompon’antoka feno ihany koa anefa ny vahoaka any ambany ravinahitra any. Tsy vitan’ny mitaraina na manome tsiny fotsiny fa mila miditra an-tsehatra lalina. Na amin’ny fanomezam-baovao sy fanontsanana ny olon-dratsy izany.
Mitaky fanovana toe-tsaina andaniny, paikady ankilany, ny ady amin’ny fakana an-keriny. Mila fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana lalina izany.

r.r

Partager sur: