Antananarivo-Dubaï : mahazaka mpandeha 1 400 isan-kerinandro

Hampiova tanteraka ny tontolon’ny habakabaka eto amintsika ny kaompania Emirates. Mpandeha 360 isaky ny sidina inefatra, isan-kerinandro, no taterina, mampitohy mivantana an’i Dubaï-Antananarivo.

Nigadona voalohany teny amin’ny serananam-piaramanidina Ivato Antananarivo, omaly, tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ny fiaramanidina Boeing 777-300ER an’ny kaompania Emirates. Nitsena azy ny filoha Rajoelina Andry sy ny delegasiona maro. Nilaza ny filoha lefitra sady tale ara-barotra, i Adnan Karim, fa «nosafidianay i Madagasikara ho anisan’ireo firenena ahitana ny zotran’ny Emirates. Satria, noho ny fananany karazan-javaboahary maro sy kolontsaina isan-karazany. Faly izahay manohana ny vinan’ny governemanta malagasy hisarika mpizahatany 1 000 000 isan-taona, amin’ny taona 2028». Nomarihin’ny filoha Rajoelina Andry fa «hanamafy ny hafainganam-pandeha ho an’ny fampandrosoana ny fizahantany, indrindra ny toekarena, ny fisian’ity zotra vaovao ity.

Hitombo ny avy aty Ma­dagasikara mankany Dubaï, andaniny, ary hisokatra amin’ny vazan-tany ny avy any an-toerana mankaty Madagasi­kara, ankilany. Miisa efatra isan-kerinandro (talata, alakamisy, sabotsy, alahady) ny sidina mivantana mampitohy an’i Dubai sy Antananarivo, mandalo Seychelles. Misy ny fifanarahana amin’ny Mada­gascar Airlines, hiantoka ny zotra anatiny, Antananarivo mankany amin’ny faritra be mpizahatany, toy ny any Nosy Be, Toliara, sns».

Malagasy ny mpanamory
Mahazaka mpandeha 360 ny Boeing 777-300ER, ka sokajy «économique» ny 310, sokajy misy fandriana ny 42, ary ho an’ny sokajy voalohany mitokana ny 8. Mihaja ny tolotra omen’ny kaompania ny mpandeha. Ahafahana mijery fandaharana televiziona miisa 6 500 amin’ny tenim-pirenena maro. Maro ny karazan-tsakafo azo isafidianana, indrindra ho an’ny mpandeha amin’ny sokajy voalohany.
Niavaka koa ity sidina
voalohany, omaly, ity. Mpa­namory malagasy, Solo Chuk (premier officier), no nitondra ilay fiaramanidina Boeing 777-300ER, niaraka tamina teratany kanadiana, ny kapiteny Bruce Pope. Efa nitondra fiaramanidina tao amin’ny Emirates izy nandritra ny 14 taona.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: