Behenjy – Ambatolampy : tratra ireo jiolahy mpandoro tanety

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandoroana ala sy tanety. Avy namonjy famadihana tao Anosinandriana fokontany Antsobolo kaominina Behenjy distrikan’Ambatolampy izy telo lahy ireto no manao fanahy iniana mandoro tanety, afakomaly maraina. Nifanindran-dalana tamin’io, nahazo antso ny zandary fa mirehitra ny tanety ao Antanimena fokontany Ankofika. Velaran-tany 2 ha mahery no kilan’ny afo. Niezaka namono ny afo ny fokonolona ka voavonjy ara-potoana ihany izany. Mbola nihaodihaody tsy lavitra ny toerana nanaovany ny asa ratsiny izy telo lahy sady variana mijery ireo fokonolona mamono ny afo. Tonga ny zandary taorian’izay, nisambotra azy ireo saingy tafatsoaka ny iray. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa efa fanaon’izy ireo ny mandoro tanety toy izao. Nohamafisin’ny zandary fa voaheloka ary enjehin’ny lalàna ny fandorana tanety sy fanimbana ny tontolo iainana. Hatolotra ny fitsarana ireto jiolahy ireto aorian’ny famotorana ataon’ny zandary.

J.C

Partager sur: