Drafitry ny fitsinjaram-pahefana : hamorain’ny MFFT ny fanorenana fotodrafitrasa

Nisongadina tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, tany atsimon’ny Nosy, ny fampahatsiahivana ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE). Namba­rany fa manamafy ny ezaka efa natomboka ho amin’izany ny eo anivon’ny MFFT ho fanantaterahana ireo fandaharanasa amin’ny alalan’ny tetikasa Mionjo. Tafiditra ao ana­tin’izany fiaraha-miasa izany ny Tahiry ho an’ny fampandrosoana eny ifotony (FDL) amin’ ny fananganana ireo fotodrafitrasa maharitra. Anisan’ny hisitraka izany ny any amin’ ireo kaominina miisa 133, any amin’ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana. Nam­ba­ran’ny minisitra tamin’izao fidinany ifotony tany atsimo izao ny tokony hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fana­tsarana izany. Natsangana rahateo ny komity Task force sy ireo birao natokana hanamorana ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo fotodrafitrasa vinavinaina ho tanterahina. “Tafiditra ho amin’ny fampandrosoana sy fanafainganana ny asa izany”, hoy ny minisitra. Nifanakalo hevitra avy eo ny minisitra sy ireo ben’ny Tanàna ary ireo mpisitraka ny tombontsoa amin’ny tetikasa. Tanjona ny hananganana fotodrafitrasa miisa 124 ho an’ity taona ity any amin’ ireo faritra ireo. Ao anatin’izany fotodrafitrasa izany ny ho an’ ny fahasalamana, fampianarana, famatsian-drano ary ny asa vaventy.

Synèse R.

Partager sur: