Famokarana fary: hojerena haingana ny vahaolana

«Tsy maintsy jerena faran’izay haingana ny hampihodinana ny orinasa mpamokatra siramamy ao Brickaville”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic), Ralambofiringa David, nandritra ny fidinana tany amin’ny faritra Atsinanana, ny herinandro teo. Nijery ny olan’ny orinasa mpamokatra siramamy sy nijery akaiky ny fiasan’ny orinasa, Odof, ao Brickaville, ny tenany. Nilaza ny minisitra fa azo atao tsara ny mametraka tanin-ketsa hambolena ireo karazana fary ilain’ny orinasa mpamokatra. Ampy sy tsara kalitao, hoy izy, ny akora fototra hamokarana siramamy. Nisy, araka izany, ny fifanakalozan-kevitra niarahan’ny delegasion’ny minisitera sy ireo manampahefana samihafa ao an-toerana.
Ankoatra izay, nijery ny fihodin’ny orinasa Brickachips ao Brickaville ihany koa ny minisitra. Marihina fa mamokatra Chips 8 000 fonosana amin’ny 100g, isan-kerinandro, ny orinasa. Tanjona ny hampiroborobo ny indostria ifotony, hampandrosoana ny toekaren’ny tantsaha sy ny mponina. Marihina fa mijery ny akora fototra isam-paritra entina hametrahana ny milina sy ny ozinina ary mijery ny lalam-barotra ho an’ny orinasa Odof ny Mic.

Henintsoa H.

Partager sur: