FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo handray anjara amin’ny
fihaonambe “Sommet du forum sur la coopération Sino-Africaine – Focac”, hanomboka anio, any Pekin, ny filoha Rajoelina Andry. Efa manomana izany any an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny minisitry ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Hanambara ny maha kandidà ben’ny Tanàna azy, Ravalomanana Marc, anio. Hotanterahina etsy amin’ny Magro Behoririka izany. Nambarany fa fanehoana firaisankina sy hametrahana ho zava-dehibe ny fanoloran-tenany hanarina an’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara, izao firotsahany izao.
Mangataka ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, ho kandidà ao amin’ny kaominina Mahajanga ireo tanora any an-toerana. Efa nanambara rahateo ny depiote, i “Del” kely tao amin’ ny fandaharana “Miara-manonja” fa tokony hanana kandidà amin’ireo renivohi-paritany sy ny faritra ny avy amin’ny fanoherana.
Nambaran’ny antoko Humaniste écologie fa tsy manome antoka ny demokrasia ny fifidianana ben’ ny Tanàna ahitana kandidà tokana. “Efa niseho teto izany noho ny olana eo amin’ny anto-bola sy ny fanilihana kandidà manoloana ny fahasarotan’ny fikarakarana dosie filatsahan-kofidina”, hoy izy ireo.

Partager sur: