Fianarana ampitain-davitra: mahasarika ireo efa miasa sy manam-bady

Mirona amin’ny fampianarana ampitain-davitra ny ankamaroan’ny fianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy voatery manatona sekoly intsony ny mpianatra vao afaka mandranto fianarana fa azo atao ny manaraka ny fianarana ampitain-davitra. Voasarika kokoa amin’izany ireo olona efa miasa sy manam-bady. Antony, ny tsy fananana fotoana firy handehanana any an-tsekoly noho ny asa iandraketana. “Ilaina ny fananana mari-pahaizana satria manampy amin’ny asa sy mampivoatra eo amin’ny fiainana izany”, hoy i Ravo, renim-pianakaviana. Tsy afaka nanohy fianarana izy fony mbola teo anatrehan’ny ray aman-dreniny satria tsy nanana fahafahana nampianatra azy izy ireo tamin’izany. “Niezaka aho nanosika ny tenako tamin’ny fianarana satria efa miasa”, hoy hatrany izy. Tsy misy sakana ny fanatanterahana azy fa ny fandrindrana ny asa aman-draharaha no zava-dehibe. “Indray mandeha isam-bolana ny fihaonana amin’ireo mpianatra manaraka ny ampitain-davitra eny anivon’ny sekoly. Amin’izany no hizarana ny boky sy ny lesona rehetra tokony hananan’ny tsirairay”, hoy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny sekoly ambony ES-DES Ankadivato,Rabemahenina Fidelis.

Mino

Partager sur: