Tanora mpianatra miisa 10 000 no nisitraka fanentanana momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida, nandritra ny fidinana teny amin’ ireo Oniversite, tamin’ireo renivohi-paritany 3 : Antananarivo, Mahajanga ary Toamasina. Nisy fanaovana fitiliana ny tsimokaretina maimaimpoana ankoatra ny fanentanana. Hitohy amin’ny Oniversite hafa ny fanentanana.
Manomboka miditra an-tsekoly ireo mpianatra ho an’ny taom-pianarana 2024-2025. Hatry ny alatsinainy teo izany ho an’ny sekoly tsy miankina. Mitohy amin’ ity herinandro ity ho an’ireo sekolim-pinoana sasany. Amin’ny alatsinainy izao kosa no fidirana ofisialy ho an’ny sekolim-panjakana.
Hahazo vahany ny orana tandrifin-drahona amin’ny faritra maro eto Madagasikara, raha ny tomban’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, omaly. Noho ny fisian’ny fikorontanana any ambony tsy taka-maso any, hahazo vahana ny orana tandrifin-drahona amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Mety arahin-kotroka izany indraindray. Haharitra ao anatin’ny efatr’andro izany. Hiverina ho maina kosa ny andro aorian’izay, raha ny tombana hatrany.