Hifarana ny 10 septambra izao ny fandefasana antontan-taratasy hifaninanana hahazoana ny vatsim-piofanana “Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders » ho an’ny taona 2025.
Anisan’ny tanora malagasy efa nisitraka ny fiofanana i Yvan Fabius, izay nitondra fanentanana tany amin’iny faritra Atsinanana iny, ho an’ ireo tanora maniry ny handray anjara. Efa an-jatony ireo tanora liana taorian’ny fanentanana natao ary maniry ny hisoratra anarana.
Ny taona 2019 i Yvan fabius no voafantina rehefa nanandrana intelo nisoratra anarana. Niofana tany Etazonia nandritra ny enim-bolana izy ary nitondra fiovana goavana tamin’ny sehatry ny fandraharahana nataony izany.
Mampiakatra ny lentan’ny fandraharahana sy ny fomba fitarihana ny fiofanana azo. Nahafahana nihaona tamin’ ireo mpandraharaha goavana amin’ny firenen-dehibe ihany koa. Manampy amin’ny fahasahiana manao dingana ary lasa manana toe-tsaina miabo, manana fikirizana hatrany.
700 isan-taona ireo tanora aty Afrika misitraka ny vatsim-piofanana “Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders». Manodidina ny 10 ny tanora malagasy misitraka izany isan-taona.
Ireo mpitarika sy efa nahavita zavatra teo anivon’ny fiarahamonina no tena kendrena. Mila mahay miteny anglisy ary manana tetikasa mitondra fiovana ho an’ny fiarahamonina. Mila manana tanjona mazava sy miabo.
Tatiana A