Mihamafy ny fiainana : Ifandrombahana ny hampiana-janaka amin’ny sekolim-panjakana

Nanomboka ny fotoana nivalian’ny fanadinana bakalorea, tsy latsaky ny 20 isan’andro ireo tonga manao fangatahana hiditra ho mpianatra amin’ny sekolim-panjakana mandalo eny amin’ny fokontany.

Ifanotofana ny fampidirana mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Manaporofo ny fahasahira­nan’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina izany. Betsaka ireo mangataka alalana eny amin’ny kaominina sy fokontany milaza ho tena sahirana amin’ny fampianarana ny za­nany ka mangataka ny hiditra amin’ny sekolim-panjakana na tsy afaka seconde sy 6ème aza ny zanany .
Efa an-jatony izany ho an’ny kaominina iray tsy lavitra an’Antananarivo. An-dranomaso mihitsy ireo ray aman-dreny mitalaho amin’ny tomponandraikitry ny sekoly mba handray ny zanany.
Mitombo isan-taona io fangatahana hiditra amina sekolim-panjakana io ka na ireo sokajin’olona heverina ho manan-katao teo aloha aza mangataka izany noho ny hamafin’ny fiainana, raha ny fanamarihana nentin’ny talen-tsekoly iray.
Miankina amin’ny fotodrafitrasan’ireo sekolim-panjakana ihany anefa no handraisana ireny mpianatra manao fangatahana manokana ireny na tsia. Vaindohan-draharaha ny mandray ireo mpianatra misitraka feno ny zo dia ny afaka fanadinana CEPE sy 6ème eny amin’ny CEG sy ireo afaka BEPC sy seconde eny amin’ny Lycée.
Rehefa milamina ny fampidirana ireo vao mijery ny hahafahana mandray ny mpianatra hafa arakaraky ny toerana mbola malalaka ao an-tsekoly ny talen-tsekoly.
Ireo mpianatra tena vonona ny hianatra, avy amina fianakaviana tena sahirana, no raisina. Voaporofon’ny sefo fokontany izany. Matetika ireo mpianatra vaovao vao tonga no lasa mpanakorontana sy sarotra entina ka lasa misarika ireo ankizy efa voavolavola tao amin’ilay sekoly, raha ny fanamarihana nentin’ny mpitantana ny Lycée iray. Izany indrindra koa no antony ifantenana tsara ireo ankizy ka izay hendry sy vonona no raisina.

Tatiana A

Partager sur: