Mitombo hatrany ireo tetikasa entina manatsara ny fiainana andavanandron’ny mponina eto Antananarivo. Anisan’izany ny tetikasa “Econnect”, izay mitondra fanatsarana amin’ny sehatra maro ho an’ny mpiara-belona.
Nihaona tamin’ny filohan’ ny Delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, ireo tomponandraikitry ny tetikasa miisa efatra, voafantina tao anatin’ny «Econnect». Tao anatin’izany no nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’izy ireo. Raha tsiahivina, hisitraka tombontsoa aterak’ireto tetikasa ireto ny tanànan’Antananarivo. Ankoatra ny 5000 euros, azon’izy ireo tamin’ny nahavoafantina azy ireo, misy koa ny fanjohiana azy ireo amin’ny fanatanterahana ny tetikasany.
Tetikasa miisa efatra, ahitana ny mahakasika ny fahasalamana, ny fitaterana, ny fako ary ny fampianarana sy fampahafantarana ny lalàna no voafantina hisitraka ny «Econnect». Tetikasa firosoana tsikelikely amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra izy ity. Anisan’izany ny CPP System, hampiasana tapakila sy hampienana ny fivezivezen’ny lelavola ao anaty fiara fitateram-bahoaka, eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka. Eo ihany koa ny MedDoc Healthcare, karne niomerika hampiasain’ny marary rehefa mankeny amin’ny tobim-pahasalamana. Manampy ireo ny tetikasa “STCV”, mandrindra ny fako sy ny manodidina izany mba hampihena ny fako eny Andralanitra. Ary ny fahefatra dia ny tetikasa mampahafantatra ny lalàna tokony ho fantatry ny rehetra.
Tetikasa iarahan’ny tanànan’Antananarivo amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Frantsay sy ny Region îles de France izy ity. Araka ny nambaran’ny Tomponandraikitra avy amin’ny Region îles de France, tanjon’ny tetikasa ny hitondra fanatsarana amin’ny fiainana andavanandron’ny mponin’Antananarivo. Eo ihany koa ny fitondrana vahaolana amin’ny sehatry ny fahasalamana sy fitanterana, ny fandrindrana ny fako ary ny fitantanan-draharaha.
Lin