Soavinandriana : raim-pianakaviana iray maty voatifitry ny jiolahy

Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray nandritra ny fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao Andrangy Soavinandriana Itasy ny alatsinainy alina teo. Naratra mafy, torana tsy nahatsiaro tena ny vadiny…

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana narahina vonoan’olona indray tao amin’ny kaominina Soavi­nandriana Itasy ny alatsinainy alina teo. Fianakaviana iray no niharan’ny fanafihan-jiolahy nirongo basy mahery vaika tamin’io alina io. Tao anatin’ny horohoro tanteraka no niainan’ireo fianakaviana ny herisetra nataon’ireo olon-dratsy. Namoy ny ainy tao anatin’izany fanafihana izany ny raim-pianakaviana tao amin’ity tokantrano ity. Naratra mafy voadaroka teo amin’ny lohany koa ny vadiny sy ny zanany. Ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary no nahafantarana fa niditra an-keriny tao an-trano ireo jiolahy. Nizara izy ireo ka nisy ireo niditra tao an-trano, ny hafa kosa niandry teny ivelan’ny trano. Mbola renoky ny torimaso ireo mpianakavy tao an-trano tamin’io alina no taitra tampoka raha nahita ireo olon-dratsy efa nanambana basy ireo mpivady niharam-boina. Tsy afa-nanoatra ireo niharan’ny fanafihana manoloana ny fitaovam-piadiana teny an-tananan’ireo mpanafika.

Nitaky vola ireo jiolahy…
Na teo aza anefa ny fandrahonana nahazo ireo mpianakavy tao an-trano, tsy nanaiky lembenana ilay raim-pianakaviana fa niaro ny vady aman-janany sy ireo fananany sady tsy nety hanome ny vola notadiavin’ireo mpanafika. Niharan’ny daroka sy tifitra avy hatrany izy ka namoy ny ainy. Tratran’ny daroka ny vadiny ka torana tsy nahatsiaro tena. Lasan’ireo mpanafika ny vola rehetra tao an-trano niaraka tamin’ireo entana sarobidy azo nobataina tao an-trano. Lasa nitsoaka ireo mpanafika rehefa nahazo izay notadiaviny. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fanadihadiana. Nentina namonjy hopitaly ilay renim-pianakaviana naratra mafy. Tsy mbola nisy tratra ireo olon-dratsy. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary ao an-toerana.

J.C

Partager sur: