Hotanterahina anio, eny Soavina Atmosphère, ny fifanintsanan’ny Nosy, «Island Cup», taranja tenisy anaty efitrano «padel». Firenena telo moa no handray anjara amin’izany, i Madagasikara, mpampiantrano, i Maurice ary La Réunion. Tsiahivina fa i Maurice no hifanandrina amin’ireo Malagasy mpilalao voalohany.
Handeha mivantana amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ny lalao baolina kitra izay hihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Aigle de Cartage Tunisie. Fanambarana izay navoakan’izy ireo tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Tsiahivina fa hanomboka amin’ny 10 ora alina ny lalao, rahampitso.
Hotontosaina any Maroc, ny 11 hatramin’ny 16 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, sokajy zandriny, U14. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany i Madagasikara, saingy miantso ny fanjakana izy ireo mba hanampy ny federasiona, indrindra ny ara-bola.
Ao anatin’ny vanim-potoana Fênetre Fifa, ny taranja baolina kitra, amin’izao fotoana izao. Anisan’ny nampivondrona ny mpilalaony, tany France, ny ekipam-pirenena frantsay les Bleus, i Didier Deschamps, mpanazatran’i France. Anisan’ireo nantsoina tamin’izany i Olise, izay nisongadina nandritra ny “lalao Olympika Paris 2024”.