Ndaty Lahy, any amin’ny Alliance française Toliara. Hizara ny mozikany ry Anthony sy ny tariny, ny alakamisy 5 septambra izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Ny beko mifangaro gadona maroloko hatrany, izay entin’izy ireo mamaky ny tsenan’ny mozika eto sy any ivelany no hoentin-dry zalahy eo.
Tahiry Andriamanoro, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka, ny alakamisy 5 septambra, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hitondra ireo mpankafy mozika hianjoria hitety vanim-potoana sy firenena maro, amin’ny alalan’ny mozika ireo mpanakanto tarihin’i Tahiry Andriamanoro.
“Kalo sy gitara”, “show case” hotanterahin’
i Voara sy i Sahaza Guitariste ao amin’ny Karibotel Analakely, ny alahady 8 septambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Mpanakanto roa samy itoeran’ny talenta miavaka. I Voara hitoeran’ny feo. Mahavita mifehy karazan-kira maro. Sahaza, mpampianatra mitendry gitara, manana fomba fitendry maro.
Ny Jarim’s Company indray no hiaka-tsehatra eny amin’ny IFM Analakely , anio tolakandro, ao anatin’ny «Festival Temps Fort Danse», andiany faharoa. “Diavolana”, io no lohatenin’ny fampisehoana hataon’ izy ireo. Seho hampitomboana sy hanatsarana ny fifandraisana misy eo amin’ny samy olombelona.