Miaina rivo-baovao i Madagasikara amin’izao fotoana izao, amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena. Mihazakazaka ny fisokafana amin’ny any ivelany. Zava-dehibe ny fisian’ny sidina iraisam-pirenena samihafa izay nisy ny vao nisantatra izany, omaly. Aim-baovao amin’ny lafiny toekarena ny fisian’izy ireo. Hampiroborobo ny varotra, ny fizahantany, ny fandraharahana, sns.
Tsy mijanona hatreo fa efa niaraha-mahalala fa nametraka masoivoho any ivelany ny fitondrana malagasy. Anisan’ny namakiana lay izany ny any amin’ny be kintana sy ny any Maraoka. Firenena roa izay tena samy manana fifandraisana matotra amin’i Madagasikara izy ireo. Misy dikany amin’ny drafitrasan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny governemanta izany.
Nosy tsy afaka ny hiolonolona rahateo isika. Mila diplaomasia mahomby sy ahitam-bokany amin’ny lafiny maro ny firenena. Mitaky vahaolana hentitra ny zava-misy eto an-toerana ka ilana ny fifanoloran-tanana amin’ny any an-kafa.
Efa azo tsapain-tanana ny ezaka ataon’ny lehiben’ny diplaomasia malagasy, izay sady tanora no tena mahafehy ny asany. Tombony lehibe ho azy ny fananana tambajotram-piaraha-miasa maro manerana ny vazantany. Ilay angovo hoenti-mantsehatra amin’ny kianjan’ny fifandraisana iraisam-pirenena ihany koa tsy azo hamaivanina. Mifanojo amin’ny andrasan’ny lehiben’ny mpanatanteraka sy ny vahoaka malagasy avokoa izany.
Tsy ampy handrosoana na hanatrarana ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso anefa ny ezaky ny ao amin’ny raharaham-bahiny. Na ho tsara endrika tahaka ny inona aza any ivelany, very anjavony izany raha mbola marisarisa sy mafy ny ady ato anatiny. Tsy mendrika ny madio ivelany toa ny fasana! Mila mifameno ny politika iraisam-pirenena sy ny anatiny. Eto no itakina ilay hoe “firaisankina”.
r.r