VAOVAO TAMBATRA

Miverina ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina noho ny fihenan’ny tohodrano mpamokatra herinaratra ao Andekaleka. Mihena ny rano ary tsy ampy ny vokatra ho an’Antananarivo ka voatery manapaka ny herinaratra ny Jirama. Miteraka fimenomenonan’ny mpanjifa ny zava-misy sy ny tolotra omen’ity orinasa ity.

Hanohana ny governemanta malagasy
amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Sahofika ny Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (Bad). Mitaky fahaizana maro ny tetikasa ary misy ny fifampidinihana eo amin’ny fanjakana sy ny mpamatsy vola. Marihina fa efa nisy ny famatsiam-bola azo tamin’ny Vondrona eoropeana sy ny Badea. Nisy ihany koa ny dingana efa vita saingy mbola hitady famatsiam-bola hafa ny governemanta, indrindra avy amin’ny firenena Emirats Arabes Unis.

Fomba fiasa mamokatra mba hivarotra ny SHEP izay iarahan’ny Minae sy ny Jica no nampahafantarina omaly. Vokatra tamin’ny taona voaolohany niasan’ny tetikasa no ho hita eo. Voeresaka nandritra ny fivoriana faharoa kosa ny rafitra vaovao, ary ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ny mpampiofana. Hitarina amin’ny faritra Analamanga, Bongolava, Amoron’i Mania ary Vakinankaratra ny tetikasa.

Partager sur: