Nirefotra indray ny poa-basy teny Anosibe Tsena, omaly hariva. Mpamongady iray akaikin’ny tetezana mavo no lasibatry ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Jiolahy dimy nandeha moto no voalaza fa tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Niditra an-keriny tao amin’ilay trano fivarotana ry zalahy sady nandrahona tamin’ny basy. Nentin’ny tahotra ireo olona tao am-pivarotana ka nanome vola an-tapitrisany tanaty baoritra, araka ny fampitam-baovao voaray teny an-toerana. Lasa nitsoaka tamin’ ny moto ny efatra tamin’ireo mpanafika nitondra ny vola raha niporitsaka lalan-kafa kosa ny jiolahy iray. Tonga teny an-toerana ny polisin’ny Sag nanenjika ireo olon-dratsy.
Maty voatifitry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Foibe Toliara tao Bekomondro fokontany Tsongobory Toliara ny jiolahy roa tompon’antoka tamina fikasana hanao asan-jiolahy tao amin’io fokontany io, afakomaly. Raha ny fanazavan’ny polisy, dimy lahy izy ireo no nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’io toerana io. Nanao vela-pandrika ny polisy ka tratra teo am-piomankomanana ny hanao fanafihana ry zalahy. Tsy nety nivoaka izy ireo rehefa nasain’ ny polisy nivoaka. Nifamaliana ny tifitra ka raikitra teo ny fifanjevoana. Vokany, maty voatifitra ny roa tamin’ireo jiolahy raha tafaporitsaka kosa ireo namany.
J.C