Antenimierampirenena : notokanana ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro

Mamaha ny olan’ny fahatapahan-jiro ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Notokanana, omaly, ny fitaovana momba izany ho an’ny Antenimierampirenena.

Notanterahana, omaly, tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Ny filohan’ny An­tenimierampirenena, Tokely Justin sy ny masoivohon’ny firenena indianina, Bandaru Wilsonbabu no nitarika izany. Nanatrika ny fotoana ny solontena avy amin’ny governemanta, ny mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena ary ny avy amin’ny Solarmad. Ny governemanta indianina sy ny Antenimierampirenena no nifarimbona nanatontosa ny fitokanana izay fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny finamanana eo amin’ny roa tonta.

Ny orinasa Solarmad no nanatanteraka ny asa fametrahana ireo panneaux miisa 66 izay manana tanjaka 36kVA, batteries 4 manana fahaleovan-tena 46 kWh. Mamatsy herinaratra ny birao rehetra ao amin’ny Anteni­mierampirenena ny fitaovana. Tombontsoa lehibe no azon’ ny Antenimierampirenena amin’izao fametrahana angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro izao. Nisaotra ny filoha sy ny vahoaka indianina ny filohan’ity andrimpanjakana ity. Tsy hisy intsony ny faha­tapahana herinaratra ao amin’ ny Lapa ary hampihena ny fandaniana ny vola mivoaka amin’ny Antenimierampire­nena izany.

Andry F.

Partager sur: