« Hevitra Hafa », tetikasa hanangonana ny fanirian’ny tanora amin’ireo tolotra fiofanana tiany omena azy. Miainga amin’ny tanora mihitsy ny hevitra ka ny fanjakana no manofana.
Natao, omaly, tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry ny fakan-kevitra tamin’ireo tanora sy ireo manana hetaheta mahakasika ny fanofanana arakasa tiany hohamafisina hahafahany mampiakatra ny fahaiza-manaony.
Nanokatra fahafahana ho an’ireo tanora ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa izay tarihin’ny minisitra, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ary nanome vahana azy ireo haneho hevitra. « Hevitra Hafa » no anarana nomena ity paikady vaovao ity.
Fotoana hahafahana mitrandraka ny talentan’ireo tanora na manamafy ny traikefa efa ananany ny fanomezana vahana azy.
Tsy voatery manana diplaoma na nahavita fianarana no mendrika hotohanana fa mila izany indrindra koa ireo vonon-kiasa sy mazoto hanatsara ny fiainany.
Miankina amin’ny hetaheta voaangona no hitondrana ny fiofanana, hoy ny minisitra. Aorian’izao angon-kevitra izao no hanasokajiana ireo tolotra omena ka hamondronana indray ireo tanora ary hanomezana azy ireo ny fiofanana tiany ho azo.
Hizarana mari-pankasitrahana izy ireo aorian’ny fiofanana hisian’ny risi-po sy fahavitrihana hanatsara ny hoaviny amin’ny sehatry ny asa. Manokatra lalana azy ireo amin’ny fitadiavana asa eny amin’ireo orinasa indrindra koa ny fahazoana izany.
Hery manosika ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fananana tanora tsara hofana ary vonon-kiasa. Tsy mifidy taona ary tsy misy isa fa ireo mazoto na lehibe na tanora saingy vonon-kiasa mbola afaka miasa kosa no hofanina.
Hovelarina hatrany amin’ny faritany ny fiofanana raha ny fanomezan-toky nataon’ny minisitra.
Manodidina ny 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa ho an’ny tanora eny amin’ny faritra iva raha ny nambaran’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ka izany indrindra no nanombohana ny hetsika “Hevitra hafa” teny an-toerana.
Tatiana A