Vonona hiara-hiasa amin’ ny firenena indonezianina
i Madagasikara. Hiompana amin’ny fampivelarana ny maha olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana izany. Nandray anjara tamin’ny fikaonandoha Indonezia-Afrika (IAF) 2024, andiany faharoa ity ny minisitry ny Fambiroboroboana ny Indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Nasongadiny tamin’ny lahateniny ny Politika ankapoben’ny fanjakana malagasy (PGE), izay misy andry telo voalaza etsy ambony. Nohamafisiny fa miroso amin’ny diplomasia ara-toekarena i Madagasikara. Hita soritra izany amin’ireo fifanarahana maro natao sonia niaraka tamin’ny firenena indonezianina. Voakasik’izany ny fizahantany, ny angovo, ny fanabeazana ary ny kolontsaina.
Ankoatra izay, liana amin’ ireo karazana tetikasa sy fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana i Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny sosialy sy ny toekaren’ny mponina. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny indostria, ny angovo, ny sehatry ny fahasalamana. Manampy ireo ny fiarovana ara-tsakafo, ny famindrana teknolojia ary indrindra ny sehatry ny lalamby.
Mitentina hatrany amin’ny 3,5 miliara dolara ny sandan’ny fifanarahana eo amin’i Indonezia sy ny firenena afrikanina. Tanjona ao anatin’izao vovonana stratejika izao ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Afrika sy Indonezia hanatsarana ny fifandraisana ara-toekarena, politika ary ny kolontsaina. Tsiahivina fa nanokatra ny IAF 2024 andiany faharoa ity ny filoha indonezianina, i Joko Widodo. Naharitra hateloana izany, ny 1 hatramin’ny 3 septambra lasa teo.
Henintsoa Hani