Nambaran’ny HCC, tamin’ny fanapahana N° 37- HCC/AR, ny 3 septambra, fa azo raisina sy mitombina ny fakan-kevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny fisian’ny fahabangan-toeran’ny depiote eny anivon’ny Antenimierampirenena, noho ny fisian’ireo depiote voatendry ho minisitra.
Eo ny depiote isany Razafinjato Aurélie Marie Augustine voafidy tany Vohibato, Sahondrarimalala Marie Michelle voafidy tany Fianarantsoa, Mara Volamiranty Donna voafidy tany Nosy Varika. Hita ny fahabangan-toeran’ny depiote telo eny amin’ny Antenimierampirenena. Koa nambaran’ny HCC fa voafidy ho depiote ireo kandidà mpisolo toerana amin’ny lisitra Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) i Freydier Michael ao amin’ny fari-pifidianana Vohibato, Razafindrakoto Victor ao Fianarantsoa, ary i Malainkoratsy Jocelyn ao Nosy Varika.
R. Nd.