Nampahatsiahy ny tetiandrom-pampianarana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hahafahan’ny mpianatra mahafantatra ny fandaharam-potoana. Ny 9 septambra izao no hanomboka ny fampianarana andiany voalohany ary mifarana any amin’ny 25 oktobra any. Ny 4 novambra indray izany no mitohy hatramin’ny 20 desambra….
Nandritra ny fitsidihana nataon’ny fanjakana no nahitana fa efa madiva ho vita ny oniversite ao Vakinankaratra. Mahazaka mpianatra 2 000 ny fotodrafitrasa ary misy sampam-pianarana 12 izay mizara ho rantsana 27. Oniversite manakaiky vahoaka no tarigetra ary hitrandrahana ny zava-misy hitondra fampandrosoana miainga ao amin’ny faritra.
Nanao fivoriana ara-potoana ny minisitera misahana ny asam-panjakana, filankevitra ambonin’ ny asam-panjakana na ny CSFOP. Nandinihina ireo rijan-teny mahakasika ny andro tsy hiasana noho ny fiterahana sy ny andro tsy hiasana noho ny maha ray tera-bao ho an’ireo mpiasa rehetra ampiasain’ny fanjakana izany.
Manome torohevitra ny fandaharanasam-pirenena miady amin’ny tazomoka fa tsara ny mamboly vonenina na pervenche mandroaka moka. Miady amin’ny kaikitry ny bibikely ity zava-maniry ity. Ampangotrahina ihany koa izy ary aparitaka ao an-trano ny entona mba handroaka ireo moka tafiditra.